LALAM-BAOVAO AMBOHITRIMANJAKA-IVATO

Tsy mety vita, ataon’ny tantsaha fanahazam-bary


  • Talata 01 Oktobra 2024

Tsy mety vita tanteraka ilay lalam-baovao miainga etsy amin’ny digy Ambohitrimanjaka mivoaka

eny amin’ny ranon’Andranotapahana lalam-pirenena faha-efatra. Raha araka ny fanadihadiana natao dia efa amam-bolana ity lalana ity no nihitsoka ary raha misy asa mandeha aza dia toy ny tsongatsongaina. Misy ampahany lehibe na kibony tsy mety vita ohatra ilay efa hivoaka an’Andranotapahana iny noho ny antony tsy fantatra. Lasa hataon’ny tantsaha fanahazam-bary fotsiny araka izany ny foto-drafitrasa rehefa miaka-bary raha tsy lazaina intsony ireo fiara miantsonantsona eny an-toerana mandritra ny andro vitsy mody makamaka sisiny. Manodidina ny 4 Km eo ho eo moa raha hatontaly io ampahan-dalana mbola tsy vita io. Misy ihany koa ny 600 m hivoaka an’Andranotapahana sy ny 400 m hivoaka an’Ivato. Vaovao farany voaray mikasika ity lalana ity ny filazan’ny Ministera tompon’andraikitra fa ho avy tsy ho ela ny orinasa hamarana izany. Raha tsiahivina anefa dia tena manala fahasahiranana ny mpampiasa lalana amin’ny fitohanana miazo ny lalam-pirenena faha-efatra sy faha-enina ary ny miazo ny seranam-piaramanidina Ivato izy raha vita tanteraka.
Pati
Legende : Hampiasain’ny tantsaha tahaka izao ny lalana rehefa mbola tsy vita ihany na dia voararan’ny lalana aza izany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT