LALAM-BAOVA ANKASINA-MAKI ANDOHATAPENAKA

Nametraka fandaminana vaovao ny Polisim-pirenena


  • Zoma 05 Septambra 2025

Nametrahana paikady vaovao sy lamina manokana mikasika ny

fifamoivoizana eny amin'ny lalam-baovao rond point kianja Makis Andohatapenaka miazo ny rond point Madinox Ankasina ny Polisim-pirenena nanomboka omaly Alakamisy 04 Septambra. Tanjona ny hanamaivanana ny fitohanana amin’ny fotoana mahabe mpivezivezy amin'iny lalana iny, indrindra amin'izao fidiran'ny mpianatra izao. Natao "double file" araka izany ny maraina raha avy any amin’ny kianja Maki ho any Ankasina Made Inox, ary amin’ny hariva kosa dia "double file" avy any Made Inox Ankasina ho any amin’ny lalana mankany amin’ny kianja Maki Andohatapenaka.Hisy ihany koa ny Polisy misahana ny fifamoivoizana nampetraka mba hampizatra ny mpampiasa lalana amin’ity fandaminana vaovao ity. Manentana ny rehetra mba hanaraka ny toromarika sy ny lamina napetraka araka izany ny Polisim-pirenena ho tombotsoan’ny be sy ny maro. Nirotsaka an-tsehatra teny an-toerana omaly ny lehiben'ny Kaomisaria foibe Tsaralalana, ny Commissaire Principal de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny fandrindrana fifamoivoizana ao amin'ny kaomisaria foibe Tsaralalana nanara-maso sy nametraka ity lamina vaovao ity.
Pati
Légende : Hentitra tahaka izao ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT