Fifamoivoizana

Lakandranon’i Pangalanes Omena fiofanana ireo mpampiasa azy


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Ao anaty fiofanana ireo "skippers" na mpitondra sambo vedety misy motera any amin'iny faritra atsinanan'ny nosy iny.

 

Nanomboka tamin'ny alatsinainy teo ka hifarana anio 26 hatramin’ny 30 oktobra ny fiofanan'izy ireo izay karakarain’ny Agence Portuaire, Maritime et Fluviale (APMF), rafitra eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM). Miompana amin’ny resaka teknika sy ny fiarovana ny fiofanana. Tanjona dia ny hahamatihanina ireo mpandray anjara rehetra, mba fitsinjovana ireo mpandeha ary ny filaminana eo amin’ny fitaterana andranomamy ao amin’iny Lakandranon’i Pangalanes iny. Natao ho an’ireo mpitondra vedety misy motera efa miasa amin’ny Lakandranon’i Pangalanes ity fiofanana ity. Ankoatra izay dia anisan'ny zavatra ianaran’izy ireo betsaka ihany koa ny momba ireo tarizotra amin’ny fitaterana an-dranomamy fa indrindra ireo andinin-dalàna samihafa mifehy ny fitaterana andranomamy. Mbola hotohizana any Mahanoro ny fiofanana izay hiantomboka amin'ny 02 hatramin’ny 06 novambra ho avy izao, ao anatin'ny dimy andro misesy.

 

 Marigny A.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT