Fifamoivoizana

Lakana rendrika tany Ankazomborona Niampy 11 isa indray ireo razana hita omaly


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Niampy 11 isa indray omaly ireo razana hita narendriky ny lakana tany amin’ny Nosy Faly, Ambanja raha nikasa handeha hitsoaka an-tsokosoko tany amin’ny Nosy Mayotte.

Notsenaina tao Ankifigny ny 19 isa tamin’izy ireo omaly raha 34 isa kosa no tontaliny hatreto. Maro tamin’izy ireo hoy ny vaovao no efa lanin'ny biby ny manodidina ny masony, ny orony, ny sofiny ary ny vavany….Raha nahazo loaranom-baovao azo dia dobo teo anelanelan'ny Nosy Faly distrikan’Ambanja sy Ankazomborona distrikan’ Ambilobe ny ankamaroan’izy ireo ka voatery nidina ifotony ny tafika an-dranomasina sy APMF niejry azy ireo. Fantatra tamin’izany fa anisan’ireo olona saika hiondrana an-tsokosoko any amin'ny Nosy Mayotte izy ireo. Amin'ireo 34 isa maty ireo moa dia zaza ama-behivavy ny ankamaroany ary avy ao Ambilobe avokoa. Zazakely 02 izay tombanana eo amin'ny 04 taona sy 02 taona ny roa ka ny iray zazakely 02 taona avy ao Nosy Be nampitondraina olona. Efa any Mayotte mantsy ny Renin’ity zaza tsy manan-tsiny ity hoy ny vaovao miandry azy. Indrisy anefa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT