LAKANA NIVADIKA TAO NOSIARINA

Hita ny fatin’ilay Renim-pianakaviana bevohoka


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Hita faty omaly Alarobia 03 Jolay maraina tao amin'ny faritra Ampasimandroatra ilay

Renim-pianakaviana 27 taona izay bevohoka 7 volana vadina zandary iray ao Amboangibe anisan’ireo mpandeha tamin’ilay lakana nivadika tany an-toerana afak’omaly.Ny zanany lahy 04 taona izay niara-dia taminy kosa avotra tamin'iny afak’omaly alina iny ihany ka zazalahy 08 taona sisa no mbola karohin'ny fokonolona. Ilay Renin’ity farany avy any Antindra kosa dia efa hita faty afak’omaly alina ihany koa tokony tamin'ny 11 ora. Mbola manao antso avo amin'ny mponina izay manodidina ny renirano Bemarivo ny fianakaviana noho mba hiaraka hisalahy amin'ny fitadiana ny iray sisa mbola tsy hita. Tsiahivina moa fa lakana mpitatitra mpandeha mampitohy an'i Nosiarina miakatra any Amboangibe Bemarivo io niharan-doza io ka nivadika tokony ho eo amin'ny 1km sy sasany tsy hahatongavana raha nifanehatra tamin'ny onjan-drano mahery. Tao Ambohipoana afak’omaly 02 Jolay tokony tamin'ny 08 ora alina no nitrangan’ny loza raha niainga avy tao Nosiarina niaraka tamin'ny mpandeha miisa 11.
Pati
Legende : Sady mamono no mamelona ny rano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT