Lakana nivadika namono olona 8

Ny taona 1984 no nisy loza farany toa io tao Ambatosoratra


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Tonga nitsapa alahelo sy nanolotra fao-dranomaso ary vola 400.000ar mba ho fanampiana

ireo mana-manjo dobo an-drano tao amin'ny ranon'Alaotra tao amin'ny kaominina Ambatosoratra ny solontenan'ny Governoran'ny Faritra Alaotra afak’omaly sabotsy 1 jona 2024. Teo ihany koa ny talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankiana ary ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandeha lakana ireto fianakaviana iray ireto ary lakana roa no nitondra azy ireo izay notarihin'ny Dadabean-jaza. Noho ny andro ratsy anefa dia nivadika ireo lakana ireo ka nodimandry avokoa izy 8 mianaka ny 29 mey lasa teo. Efa hita tamin’io andron’ny sabotsy io moa ireo razana 3 ambiny ary samy nandrasana tao amin'ny Tranom-pokonolona Ambatosoratra ny nofo mangatsiakan'izy 8 mianaka ary efa nalevina omaly Alahady 02 Jona. Fantatra ihany koa fa nisy tranga toy izao tao Ambatosoratra tamin'ny taona 1984 izay namoizana aina 11 be izao izay mbola nandeha lakana koa hoy ireo Tangalamena.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT