an’Antananarivo no vahaolan’ny fitohanana»
Mandeha amin’ny ampahany ihany amin’izao fotoana izao ny tetikasa fanitarana an’Antananarivo na «Projet Grand Tanà» izay niainga tamin’ny fitondràna Rajaonarimampianina, raha ny fanazavàn’ny mpanolontsainan’ny tanànan’Antananarivo sady manam-pahaizana momba ny asa vaventy, Lahatra Andriamahatsangy. Raha mijery isika, hoy izy, ny lalana Ambohitrimanjaka mivoaka an’Andranotapahana. Andranotapahana mankany Ivato koa dia efa mamaha olana iny amin’ny ankapobeny. Eo koa ny Ivato – Tsarasaotra fa mbola misy ny «axe» fiviliana iray mankaty atsimo, izay mbola tsy voavaha mihitsy hatramin’izao. Mbola heverina hoe anaty tetikasa koa ny «Rocade» na lala-midadasika manodidina an’iny. Inoana ihany koa fa ho dinihina amin’ny fotoana manaraka ny mikasika an’iny. Ny olantsika eto Madagasikara dia tsy manana laharam-pahamehana ny mpitondra. Tsy ny tena ilaina no vahan-drizareo fa ampahan-javatra ihany. Niteny teny Itaosy tamin’ny propagandy ny filoham-pirenena hoe ho vahany ny olan’ny fifamoivoizana eny Itaosy fa hatramin’izao tsy hita ilay izy. Raha ho ampidirina indray io fiarabe elektrika na «bus électrique» io dia tena milaza eto aho fa vao mainka io hiteraka fitohanan’ny fifamoivoizana be. Ny mponina eny ihany no mahalala ny vahaolana eny. Na ny mivoaka Sabotsy Namehana io na Itaosy na mianatsimo na atsinanana dia samy mbola anaty tohamboivoy na «embouteillage». Hitantsika amin’izao fa na mbola tsy miditra aza ny mpianatra dia mbola fitohanana foana eto Antananarivo. Na efa manao lalana aza dia mbola marobe ny lalana simba sy mbola tena hoe miteraka fitohanana samihafa. Ao ny lavaka mahagaga marobe. Tsy misy afa-tsy fanitarana an’Antananarivo na io «Grand Tanà» io no vahaolana amin’ny fitohanana. Vahaolana ho an’ny tanàn-dehibe rehetra mihitsy aza izay fametrahana «rocade» manodidina izay. Mijanona ivelany daholo ny kamiao sy fiarabe rehetra amin’izay fotoana izay fa tsy miditra anaty tanàna. Mbola mila alamina koa ny resaka «bus» na taksibe sy ny rehetra. Mbola be dia be ny asa miandry ho an’Antananarivo renivohitra, raha resaka fifamoivoizana fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.