Lahatra Andriamahatsangy

«Tena mila mangaraharaha ny fanamboaran-dàlana»


  • Alarobia 30 Oktobra 2024

Hita ho efa manao izay azo atao ihany ny tomponandraikitra raha ny mikasika ny vahaolana maika

momba ny olana ara-tsosialy sy toekarena eto Madagasikara toy ny resaka rano sy herinaratra ary lalana, hoy ny mpanao politika sady tekinisianin’ny asa vaventy, Lahatra Andriamahatsangy. Tsy mbola mahavaha ilay olana nefa izany, hoy izy, satria tena vahaolana lavitra ezaka no ilaina. Tsy maintsy tena mila drafitra maty paika io! Raha hiresaka lalam-pirenena faharoa izao isika na RN 2 dia mety misy ny ampahan-dalana amboarina saingy vita ny ampahany fa efa misy simba indray amin’ny toeran-kafa. Tokony atao foana, noho izany, ny fanajariana na «entretien» fa tsy miandry hoe akaiky fifidianana na akaiky orana. Mila atao foana io mba tsy hisian’ny faharotehana na «dégât» be rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny orana. Tokony hisy drafitra mipetraka sy lamina, noho izany, momba izay resaka fitantanana fotodrafitrasa izay na ho an’ny eto Antananarivo renivohitra io na Madagasikara iraimanontolo. Ho an’ny ety Ampandrana sy ny manodidina izao io misosa ny fifamoivoizana saingy mbola fanontaniana mipetraka ny hoe efa vita ve ilay asa momba ny lalana sa tsia? Fanontaniana tokony apetrantsika mponin’Antananarivo ihany koa ny hoe manao ahoana ny fandehan’ny tolo-bidy na «appel d’offre» momba ireny zavatra ireny? Ohatrinona dia mety haharitra hatramin’ny oviana izy ireny? Mbola azo lazaina ho anaty vanim-potoana tsy misy orana isika izao fa raha ny hita mikasika ny asa fanadiovana na «assainissement» dia heverina hoe mbola an-dalana angamba ny fanaovana azy fa tsy dia mbola misy loatra izay amin’ny ankapobeny. Eo am-panamboarana izy fa tena hitsara ny fahatsaràna na faharatsian’ny asa nefa ny orana. Ho an’i Madagasikara iraimanontolo mihitsy no ilaina ny fangaraharahan’ny vola mivoaka sy miditra amin’ireny fotodrafitrasa ireny, hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT