Fifamoivoizana

Krizy tsy voafehy intsony Ny vahoaka indray ve no ampiadiana e ?


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Miharihary fa tsy voafehin’ny Fanjakana intsony ny krizy misy eto amin’ny tany sy ny firenena, ka isan’ny porofo mivaingana tsy azo ialana ny sondro-bidim-piainana, ny fiakaran’ny vidin-tsolika manampy trotraka ny krizy.

Voizina ny hoe : tsy io aza ny vidiny tena izy na « vérité des prix » fa mbola latsaka 400Ar amin’ny tena izy io, mba ilàzana fa tena miasa sy miady ho an’ny vahoaka ny Fanjakana. Rehefa misondrotra dia resahana ny « vérité de prix » fa rehefa midina tsy misy an’izany ? Miha midangana ny sondro-bidim-piainana na ny « inflation », ary tsy mitombina velively ny hoe : 9,2% ny vinavinavina amin’ity taona 2022 ity raha ny voafaritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana, kanefa aza ny solika mahatratra 43% ny fiakarany, ny vidin’entana andavanandro efa ela no nidangana, ary vao mainka ho loza satria tsy voafehy ihany koa ny fanararaotana. Iny niakatra avy hatrany iny ny saran-dàlana ho an’ny zotra nasionaly nanomboka ny 11 jolay teo niakaran’ny solika, ka raha 50 000Ar ny makany Toliara, tonga dia lasa 70 000Ar, raha 25 000Ar ny makany Ambatondrazaka sy Toamasina tonga dia niakatra ho 30 000Ar,… Ny eto an-dRenivohitra indray, ny Filoha mihitsy no nihaona tamin’ireo fikambanana mpitatitra, ireo kaoperativa eto Antananarivo renivohitra (UCTU) sy ireo zotra manodidina (UCTS). « …Tapaka tamin’izany ary fa raha toa ka hampiakatra ho 1000Ar ny hevitr’izy ireo teo aloha dia nifanarahana fa ho 600ar ny saran-dalana manomboka anio 12 jolay 2022 izay fiakarana 100ar amin’ny vidin-tsolika 4900ar ny litatra ankehitriny », hoy i Andry Rajoelina ny alatsinainy teo. Ny marainan’io anefa, nilaza ireo mpitatitra sasany ao anatin’ny UCTU fa tsy mety amin'izy ireo ny fampiakarana ny saran-dalana ho 600 ariary. Tsy mifanaraka amin'ny fiakaran’ny ny vidin’ ny solika io fiakarana 100 ariary io ka mahatsiaro ho maty antoka izahay, hoy ny fanambarana. Tsy masin-teny ve ny Fanjakana sa dia efa endrika fampiadiana ny samy mpitatitra ? Na koa fampiadiana ny mpitatitra sy ny mpandeha izay samy vahoaka? Tena nahasolo tena ny mpitatitra ve ireo nihaona tamin’ny Filoha? Raikitra ny grevy ho an’ny taksibe sasany omaly, toy ny zotra 137 teny Andoharanofotsy. Nilaza ho tsy afa-po tamin’ilay 600Ar ary nilaza fa tsy io ny nifanarahana. Nigrevy sy nody ireo taksibe satria milaza ho maty antoka. Ny vahoaka tetsy andaniny filaharam-be satria tsy nisy fiarakodia. Lasa ny mpitatitra sy ny vahoaka no toa ampiadiana noho ny fanapahan-kevitra mety tsy tena voadinika. Ny zotra F mampitohy an’Ifarihy sy Anosy nilaza fa 700Ar no nifanarahana tamin’ny Minisitera fa tsy 600Ar,… Tsy momba ny fampiakarana, ary tsy miaro ny mpitatitra, fa kosa mila tena lany era ny fifanarahana, tokony hisy didim-panjakana mazava.
FIAKARANA 43%, FITSINJOVANA VAHOAKA 0% ?
Tsy vao izao io toe-javatra toa miteraka ady mangatsiaka eo amin’ny vahoaka io, fa efa nisy ihany koa ilay resaka fampiakaran-karama ho an’ny tsy miankina, izay ny Filoha no niteny azy, saingy tsy nasiany didim-panjakana roa volana aty aoriana. Ny tsy miankina anefa efa nihatra tamin’ny volana mey io. Lasa ny mpiasa sy ny mpampiasa no toa ampiadiana, ny mpiasa miankina sy tsy miankina toa lasa ampifandrafiana ankolaka satria ny avo ihany no tovanana,… Ny vidin-tsolika niakatra 43% fa ny fepetra raisina hitsinjovana ny vahoaka maro an’isa 0% hatreto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT