Fifamoivoizana

Koperativa Tselatra Nitokona ny mpitatitra


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Tsy nisy niasa na dia iray aza ny mpitatitra mivondrona ao amin’ny koperativa Tselatra tamin’ny faran’ny herinandro teo.

 

 

Ny 146, 146D, 147, 147Bis ary 178 no nanao ny fitokonana noho ny tsy fanekena ny fanapahan-kevitra noraisin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny koperativa. Nisy mantsy ny fampiharana ny sarandalana tokana ho 400 Ariary ary tsy hasiana intsony ny tapa-dalana. Miteraka fatiantoka izany araka ny nambaran’izy ireo satria tsy hisy handeha aminy intsony ny mpanjifa fa aleony mitaingina ny zotra hafa izay mbola mandray sarandalana 200 Ariary sy 300 Ariary. Ankoatra izay, nitaraina ihany koa izy ireo ny amin’ny didy jadona misy eo anivon’ny koperativa tahaka ny fangalana ny latsakemboka mavesatra isan’andro izay mahatratra 6.000 hatramin’ny 7.000 Ariary. Etsy an-daniny dia nanambara ny filohan’ny koperativa Tselatra, Rakotonirina Jean Louis Emile fa hanazarana ny mpanjifa handoa ny sarandalana 400Ariary io mialoha ny fiakarana ho 500 Ariary atsy ho atsy. Tsy azo ihodivirana, hoy ity filoha ity ny fisondrotan’ny sarandalana atsy ho atsy noho ny hiakaran’ny solika. Handrasana ny vokatry ny fifampiresahana tamin’ny mpitatitra sy ny koperativa amin’izao fiandohan’ny herinandro izao na dia nisy aza ny fangatahan’ireo mpitatitra ny fialan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny koperativa.

Tsirinasolo

 

 

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT