Fifamoivoizana

Koperativa mihazo an’i Manalalondo Fiara lehibe sy 4x4 ny 99 %-n’ireo miasa ao


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Fiara tsy mataho-dalana sy fiara lehibe ny 99 %-n’ireo fiara miasa mampitohy an’Antananarivo amin’i Manalalondo Arivonimamo, araka ny fanadihadiana natao teny Anosizato, tobim-piantsonana misy azy ireo omaly.

 

Noho ny haratsian’ny lalana any an-toerana, indrindra fa  ny miala ao Arivonimamo no antony.  Hatao ao anatin’ny ora telo ny lalana mirefy 38 km mihazo an’i Manalalondo  izay lalan-tany mideza avokoa, hoy Rafanomezantsoa Joel, lehiben’ny koperativa iray ao an-toerana. Miisa dimy ireo koperativa miara-miasa ao amin’ity tobim-piantsonana iray ity dia ny FIFIA, ny FIAM, ny Mahasoa izay nisy ilay fiara niharan-doza tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny Nafindra ary ny Lalaina. Nomarihiny fa loza toy ny loza rehetra iny nitranga tamin’ny alahady iny. Miisa 48 ireo mpandeha tao anatin’iny Mercedes 911 double-pont niharan-doza  iny fa tsy nihoatra araka ny filazan’ny sasany. Manana birao manokana mihitsy izahay, hoy Rafanomezantsoa Joel manara-maso izany ka matetika aza dia banga toeran’olona folo ny fiara iray miainga eo Anosizato handraisana ireo mpandeha tavela eny an-dalana. Nomarihiny manokana fa mahalana no misy fiara lehibe hiharan-doza tahaka izao eto Antananarivo  raha oharina amin’ny mini-bus izay tena mateti-pitranga tokoa. 12.000 Ar ny saran-dalana mihazo an’i Manalalondo amin’izao.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT