Fifamoivoizana

Koperativa KOFIMI - Itaosy Terena handoa saran-dalana fanindroany ny mpandeha


  • Talata 30 Novambra 2021

Anisan’ny taxibe tena mampitaraina fatratra ny mpandeha ny taxibe KOFIMI sy KOMAFILA izay samy miainga eny amin’ny CNaPS Anosy ka hatreny Andohatanjona sy Itaosy Cité.

 Vao omaly ohatra dia nanondrana indray ny Taxi be zotra KOFIMI iray mitondra ny laharana 9727 T BD. Niakatra teo Andrefanambohijanahary ny mpandeha iray tsy nisy ny olana. Rehefa tonga teny Antanimenakely anefa dia niteny ilay resevera fa efa ela loatra izy no niakatra tao anaty fiara ka tokony handoa saran-dalana fanindroany indray. Raha tsiahivina kely anefa dia miainga eny amin’ny tobim-piantsonana eny amin’ny CNaPS Ampefiloha ny taxibe KOFIMI iray ary tsy mijanona raha tsy tonga any Itaosy amin’ny saran-dalana no 500 Ar na 600 Ar. Tsy izay tian’ny mpamily sy ny resevera araka izany no hatao ary efa mazava ny saran-dalana. Tsy io koperativa io ihany anefa no manao izany fa maro ny zotra mampitaraina olona amin ity hafetsifetsena manao fika hoe hatreo anona ity ihany ity, satria tiana hiala eo daholo ny mpandeha amin’izay misy mpandeha vaovao , mandoa saran-dalana vaovao indray. Ny tsy fanajana ny fitsipika, ny tsy fanajana ny bokin'andraikitra tsy lazaina intsony ary ny tena loza dia fanalikana ny mpandeha tsotra izao ny atao, fiainana efa sarotra izao ve dia terena handoa 1000 ariary ve izany ny olona iray miainga avy eny Andranonahoatra Itaosy ka hatreny Anosy satria hifindra taxibe eny antenantenan-dalana eny. Antso avo araka izany no hatao amin’ny lehiben’ity koperativa ity mba handray ny andraikitra tandrify azy.
Pati
Legende : Ity ilay taxibe KOFIMI nanadala mpandeha omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT