Fifamoivoizana

Kolonely Andry Rakotondrazaka Mbola tale jeneralin’ny ATT


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Araka ny fanapahana noraisina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy lasa teo, dia nisy ny fanesorana sy fanendrena olona ambony eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.

Tsy ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) kosa no nesorina tamin’ny toerany, raha ny resaka an-tariby nifanaovana tamin’ny kolonely Andry Rakotondrazaka, Tale jeneralin’ny ATT omaly. Manohy ny asany ara-dalàna ny tenany, ary tsy nesorina tamin’ny toerany velively, raha ny fanazavany. Nisy kosa ny fifangaroana teo amin’ny ATT sy TT, ka nisian’ny vaovao nivoaka omaly, fa nesorina ny Tale jeneralin’ny ATT raha tokony ho TT. Toerana vaovao vao noforonina eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana ny toeran’ny tale jeneralin’ny TT (Transports Terrestres), raha ny fanampim-baovao azo, izay nanafoana ny didim-pitondrana laharana 2016-415 tamin’ny 04 mey 2016, ka nanendrena an’i  Sendradilifera Eluidoni Masimbonjy,  talen’ny raharaha ara-bola (DAF) tao amin'ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ihany ho eo amin’ny toeran’ny DG TT.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT