KOLIKOLY SY FANDIKAN-DALANA ENY AN-DALAMBE

Sazy henjana no hiandry ireo izay tratra


  • Alarobia 28 Janoary 2026

Nihaona mivantana teny an-kianja ka

niresaka tamin’ireo Polisim-pirenena miasa eny an-dalana sy ireo mpamily taxibe 194 sy zotra D teny 67 ha Vatobe ary teny Andranomena ny Talem-paritry Filaminam-bahoaka Analamanga, ny Commissaire Prinicipal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis, niaraka tamin’ny Lehiben’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, sy ireo tompon’andraikitra ny Polisim-pirenena amin’ireo faritra ireo. Tanjona tamin’izany ny fanentanana sy fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanajàna ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana fa indrindra ny fanajàna ny bokin’andraikitra ho an’ireo fiara mpitatitra. Nampatsiahivina manokana ireo mpamily sy ny mpanampiny ny maha zava-dehibe ny tsy hanaovana kolikoly na inona na inona antony. Noentanina hatrany izy ireo mba hanaja ny fiantsonana farany mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro, ka tsy hiodina an-dalana. Namafisina tamin’ireo Polisim-pirenena ihany koa fa tsy hisy fandeferena ny fanaovana kolikoly. Notsindrian’Atoa Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Analamanga fa ho henjana ny sazy ho an’ireo minia mandika lalàna sy zatra manao lalan-dririnina. Fampitandremana farany mba hampiova famindra ny rehetra no natao omaly Talata 27 Janoary fa hisy ny fitsirihana tampoka izay ho ataon’ny tompon’andraikitra.
Pati
Légende : Nandritra ny fanentanana natao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT