Kiady, mpilalao sarimihetsika

Nidoboka am-ponja vonjimaika


  • Zoma 16 Mey 2025

Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,

noho ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesan'olona nitranga ny sabotsy alina lasa teo, tao amin'ny fokontany Bemasoandro Itaosy. Notanana natao andrimaso teny anivon'ny zandarimaria Itaosy izy taorian'ny zava-nitranga. Araka ny tatitra, fiara nentin'i Kiady no nifandona tamin'ny moto nitaingenan'olona roa. Naratra mafy izy ireo ary nentina haingana teny amin'ny hopitaly. Nodimandry ny alahady maraina ilay vehivavy 29 taona, raha mbola manaraka fitsaboana kosa ilay lehilahy niaraka taminy. Potika tanteraka ilay moto, ary nahitana fahasimbana goavana ihany koa ilay fiara nentin'i Kiady. Eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba ny raharaha izy amin'izao fotoana izao. Efa nisy ihany ny fiarovana sy fanazavana nentin’ny mpisolovava izay nilaza fa nisy ny fahadisoana nataon’ilay moto, nivily tamin’ny toerana tsy tokony hiviliana ka niteraka ny loza,… saingy tsy naharo an’ity mpilalao sarimihetsika ity. Nisy aina nafoy rahateo, izay mampananosarotra ny raharaha satria nanana ny nambarany ihany koa ny fianankavian’ny maty, izay tsy nanaiky mora foana ny ain’ny havany latsaka.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT