Fifamoivoizana

Katsepy - Sambo rendrika Nieren-doza izy 13 nentin’ny “Fanantenana”


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Ny sambo “Fanantenana” ity dobo an-dranomasina tany Katsepy ity raha tokony hihazo an'i Tambohorano,

75 km miala an'i Maintirano. Niala tao Mahajanga ny alatsinainy 25 desambra, krismasy misasakalina ilay sambo. Tra-doza, natsipin'ny ranomasina rehefa tonga tao Antrema ambadiky ny jirobe (phare) Katsepy ka nidona tamin'ny vato rehefa nahazo sisiny. Nisy fahavakisana tamin'ny vatany ary dia nidiran'ny rano. Avotra avokoa ireo mpandeha niisa 13 tao anatiny fa ny entana nentiny no lena ny antsasa-manila na dia efa novonjena navoaka aza. Tsy hay izay tena olana na resaka teknika tamin'ity sambo ity na vokatry ny rivotra (mantasaly) izay nahery be tato anatin'ny herinandro izay ka raha tsy motera matanjaka tsara tsy mahatohitra io mantasaly io. Efa tafaverina ao Mahajanga omaly avokoa ireo mpandeha tao anatin'ilay sambo raha ny fanazavana avy amin'ny talem-paritry ny APMF ao Mahajanga, Tianjara Maurice.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT