Fifamoivoizana

Karama tsy voaray Miandry vahaolana ireo mpiasan’ny fandanjana fiara


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Efa ho 3 volana hiditra 4 volana izahay tsy nandray karama, hoy ny fitarainana iray nataon’olona tsy nitonona anarana milaza azy ho mpiasan’ny toby fandanjana fiara ny sabotsy teo.

Hatramin’izao anefa, hoy izy, dia tsy misy vaovao mari-pototra fa dia harirarira hatrany raha mba mangataka vaovao momba izany fitakiana izany, izahay moa dia tsy afaka maneho hevitra fa fandrahonana famindrana toeram-piasana na “affectation” no setriny raha manao izany ka mba mangataka re tompoko raha mba azo atao mba jereo akaiky izahay mpiasa fa tena mijaly, hoy hatrany ity ampahana fanehoan-kevitra ity. Miangavy ny fitondram-panjakana mahefa moa ity mitaraina ity mba hijery ny zava-misy marina. Hatreto dia miandry ny fanazavana avy eo anivon’ireo tompon’andraikitra sy mpitantana araka izany hilaza ny tena zava-misy marina mikasika ity olana momba ny fandanjana fiara ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT