Fifamoivoizana

Kaoperativa mihazo ny faritra Atsinanana Mangataka ny hametrahana azy ireo eny Ampasampito farafaharatsiny


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Tsy mankasitraka ny hamindrana azy ireo etsy amin’ny toby fiantsonana etsy Andohatapenaka ireo kaoperativa mihazo ny faritra Atsinanana.

 

 

 

 Misy amin’izy ireo mantsy no hajanona eny Ambodivona ihany noho ny fananany fotodrafitrasa matanjaka. Nisy ny soso-kevitra natolotr’ireo koperativa tsy maintsy hafindra toerana ny amin’ny hamerenana azy ireo ao ambadiky ny tobim-pivarotan-tsolika total eny Ambodivoina ihany, toerana efa nisy azy ireo taloha. Raha sanatria tsy mety, hoy ny tompon’andraikitra dia tokony hafindra eny Ampasampito izahay, toerana izay tsy hamono antoka ny mpandeha satria tsy dia lavitra loatra. Manantena ny hanampian’ny minisiteran’ny fitaterana azy ireo koperativam-pitaterana mihazo ny faritra Atsinanana ireto. Kasaina hotanterahina tsy ho ela ny famindran-toerana azy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT