Fifamoivoizana

Kaoperativa etsy Ambodivona Mangataka ny hijanonan’izy ireo ao ambadiky ny Total


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Ny toerana ao ambadiky ny Total etsy Ambodivona no toerana efa mahazatra ireo kaoperativa izay tadiavina hafindra toerana eny Andohatapenaka, ny 20 septambra ho avy izao.

 

 

Tsy mandà ny fanesorana sy fanalana azy ireo na afidra toerana ireto kaoperativa amin’ny trano hazo ireto fa mila atao ara-dalàna, satria misy ny esorina ary misy ny mijanona eny. Nambaran’ireo “guichetier” etsy Ambodivona, fa mahatratra 20 ireo kaoperativa trano hazo no esorina, fa ny 7 kosa tsy voakasika. Ireto farany izay voalaza fa kaoperativa manara-penitra ary tsy voakasiky ny famindrana, hoy izy ireo. Tsy misy ambony lalàna fa rehefa miala ny kaoperativa  trano hazo dia miala hatramin’ireo 7 voalaza ireo. Ny kaoperativa mitatitra any amin’ny RN1, RN4, RN6 no efa nifidra eny Andohatapenaka. Ireo kaoperativa mitatitra amin’ny RN2 kosa ireo hafindra ireo, saingy, tsy manaiky ny hialà izy ireo, fa mangataka ny hijanonan’izy ireo ao ambadiky ny Total Ambodivona, izay toerana efa nahazatra azy ireo hatramin’ny taona maro, hoy hatrany ny fanazavana. Mahatsiaro ho maty antoka izy ireo, raha mifindra eny Andohatapenaka, hoy ny tatitra azo, satria ireo mpajifany no mamelona ny kaoperativa, hany ka lasa mifindra fiara hafa rehefa mifidra eny amin’ny toby fiantsonana Makis. Fandaminana sy fanatsarana ny fitaterana no hatao, hoy ny teo anivon’ny ministeran’ny fitaterana sy ny ATT. Tokony hanaiky izay fandaminana izay ireo kaoperativa etsy Ambodivona ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo.

 

Sitraka r.    

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT