Kaompania

Kenya Airways


  • Alarobia 05 Aogositra 2026

Mikendry ny hampitohy

an'i Nairobi - Tanà - Sainte Marie
Vinavinaina ny hanokafana ny sidina mampitohy an'i Nairobi - Tanà - Sainte-Marie sy ny lafiny ara-teknika mifandraika amin'izay. Anisany nivoitra io nandritra ny fihaonana fanamafisana fiaraha-miasa teo amin’ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asatanana, Lily Rafaralahy sy Aniff Mohungoo, Talem-paritry ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka Kenya Airways, ny Talata 4 Aogositra 2026, tao amin’ny Ministera Tsimbazaza. Noresahan'ny roa tonta ihany koa ny fanomanana fihaonana sy firesahana mivantana eo amin'ny Minisitry ny Fizahantanin'i Kenya, hanamafisana ny fifanekena fiaraha-miasa. Ao anatin’ny vinam-piaraha-miasa ihany koa ny hanokafana sidina amin’ny faritra hafa eto Madagasikara. Ny tanjona dia ny hampitomboana sy hanamorana ny fahatongavan'ireo mpitsidika avy any Afrika sy avy amin'ny kaontinanta hafa amin'ny alalan'ny tambajotran'ny Kenya Airways. Marihina fa manatanteraka sidina mivantana farafakeliny in-7 isan-kerinandro mampitohy an'Antananarivo sy Nairobi ny Kenya Airways, miankina amin’ny vanim-potoana sy ny filàan’ny mpanjifa, ary manao sidina mahery ny 180 isan-kerinandro maneran-tany : Afrika, Eoropa, Azia, Moyen Orient, izay manamora ny fivezivezen'ny mpizahatany sy manamafy ny fifandraisana eo amin'i Madagasikara sy ny tambajotran'ny sidina iraisam-pirenena.
Jean D.
Minisitry ny Fizahantany sy ny Asatanana, Lily Rafaralahy sy Aniff Mohungoo, Talem-paritry ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka Kenya Airways
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT