Fifamoivoizana

Kaompania «Corsair» Hampitohy an’Antananarivo sy La Réunion


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

Vitsy lavitra hatreto ireo teratany renioney tonga mitsidika an’i Madagasikara (130.000) mihoatra amin’ireo mpizahatany mihazo ny nosy Maorisy (500.000).

Antony goavana mahatonga izany ny lafiny fifaninanana eo amin’ny saram-pitaterana. Dingana iray lehibe anefa no vita nanomboka ny alahady 9 aprily 2017 teo izay nisantarana ny zotra ana habakabaka rezionaly mampitohy an’Antananarivo sy La Réunion tontosain’ny «Corsair» ao anatin’ny vondrom-pitaterana TUI. Tafiditra amin’ny fampiharana ny «Open Sky» na ny politika fisokafan’ny lanitr’i Gasikara io sidina vaovao io, hoy ny fampahafantarana nataon’ny solontenan’ity kaompaniam-pitaterana vahiny ity omaly teny Antaninarenina. Hosantarina amin’ny sidina iray isaky ny alahady izany amin’izao fanombohana izao. Hiakatra sidina roa kosa amin’ny volana oktobra amin’ity taona ity ihany, araka ny vinam-pandaharam-potoanan’ny orinasam-pitaterana. Efa mitrandraka ny 40%-n’ny tontolon’ny habakabaka eto amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina moa ankehitriny ny kaompaniam-pitaterana «Corsair», araka ny fanampim-panazavana.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT