Fifamoivoizana

Kaominina Tanjombato « Ahemory amin’ny 08 ora alina ny fandehanan’ny kamiao »


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Afaka herintaona raha tsy misy ny fepetra raisin’ny mpitondra fanjakana dia hihitsoka tanteraka ny fitohanana eto an-drenivohitra. Ankoatra ny rano sy ny fako izay hanototra ny tatatra ka hanimba ny lalana

 dia hanampy trotraka izany ny tsy fisian’ny fanitarana ny foto-drafitrasa toy ny lalana sy ny fanavaozana ny tanàna izay samy vahaolana lavitr’ezaka. Tanàna maro no lasibatr’io fitohanana lavareny io indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao. Anisan’ny miaina izany ny kaominina Tanjombato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Hetahetan’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana araka izany ny tokony hanemorana ny ora fidiran’ny kamiao avy eto an-drenivohitra miazo iny faritra iny amin’ny 08 ora alina. Anisan’ny tena miteraka fitohanana amin’ny faritra maro ivelan’ny renivohitra mantsy ny fisian’izy ireny indrindra amin’ny ora firavan’ny mpiasa sy ny mpianatra. Marihina fa ankoatra ny kaominina Tanjombato dia sahirana tanteraka amin’ny fitohanana ihany koa ny eny Itaosy sy ny manodidina.
Pati
Legende : Anisan’ny tena miteraka fitohanana ny fisian’ny fiarabe toy ny kamiao miditra tsy lera eto an-drenivohitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT