Fifamoivoizana

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy hisy lalana tapaka rahampitso zoma


  • Alakamisy 22 Jona 2017

Niteraka resabe teto an-drenivohitra nanomboka omaly ny fahatapahan-dalana etsy sy eroa, indrindra amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena 26 jona izao.

 

 Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany omaly Ramatoa Sarah Zoe, tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina  Antananarivo Renivohitra ka nambarany  fa ny sabotsy 24 jona vao hisy ampahan-dalana ho tapaka eto an-drenivohitra noho ny fisian’ilay hazakazaka lavitr’ezaka “ marathon indépendant” karakarain’ny komity misahana ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona sy ny minisitera mpiahy. Na hizara harendrina ho an’ny zanaky ny mpiasa sy hanome fanampiana ny sahirana  ary  hanao karnavaly manoloana ny lapan’ny tanàna sy hitsoka mozika aza mantsy  ireo mpiasan’ny kaominina ho fanamarihana ny fetim-pirenena rahampitso zoma 23 jona dia tsy hisy lalana ho tapaka araka ny feo  mandeha izany ihany koa. Marihina moa fa efa miomana tanteraka amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena  26 Jona ny kaominina ankehitriny. Anisan’ireny ny fandokoana ireo trano manamorona ny arabe, ny fametrahana dabam-pako eny rehetra eny ho fitandroana ny fahadiovana… Mikasika ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana manokana dia nambarany fa tsy maintsy ho avy izy ary hankalaza ny fetim-pirenena eto an-tanindrazana miaraka amin’ny vahoaka Malagasy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT