Fifamoivoizana

Kaominina Antananarivo Renivohitra Hampiharina ny lalàn’ny fifamoivoizana


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Tsy maintsy hampiharina amin’izay ny lalàn’ny fifamoivoizana sy ny fiantsonana eto Antananarivo Renivohitra.

 

 Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana azy, araka ny toromarika nomen’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Miainga amin’ny fampahafantarana ny lalàna sy ny fanentanana ny rehetra  izany, asa izay hiantsorohan’ny  eo anivon’ny sampandraharahan’ny Fitaterana sy ny fifamoivoizana na mobilité urbaine, ao anatin’ny  kaominina.  Nisy  ny naoty fampahafantarana navoakan’ity sampandraharaha iray ity,  araka ny fanazavana nomen’ny talen’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe ao amin’ny CUA, Andriamatoa Ravaloson Landy Harilala. Raha ny fantatra dia ny taona 2014 ary nohamafisina ny taona 2017 ity lalàna ity saingy mbola maro ireo tsy mahafantatra na minia mandika izany.  Ny sazy ho azo ho an’ireo mandika izay lalàn’ny fifamoivoizana izay dia miainga amin’ny fanidiana rojovy ireo fiara hataon’ny tompon’andraikitra, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT