Nihaona tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely omaly ny mpanao asa fitaterana amin’ny alalan’ny fiara karetsaka na “taxi” eto an-drenivohitra izay nahitana ny tompona fiara sy mpamily andaniny, ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), notarihin’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ankilany.
Nafana ny fihaonana, kanefa tao anatin’ny fifanajana tanteraka. Tsy nisy ny notampenam-bava rahateo fa samy afaka naneho ny heviny sy nanontany izay tsy mazava amin’ity resaka fiarakaretsaka ity ireo mpisehatra. Izay rahateo no tanjon’ny CUA, dia ny tsy haha tompon-trano mihono ireo mpitatitra. Nohamafisin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, fa fitadiavana ny tombontsoan’ny “taxi” no anton’ny fihaonana. Tsy misy ary tsy hisy, hoy izy ny fanilihana ireo “taxi” efa miasa, fa ny fanatsarana no atao ao anatin’ny fanarahan-dalàna. Ny mitady asa aza amin’izao tena manahirana ka ny olona efa manana asa toy ny tompona “taxi” sy ny mpamily indray ve no hopotehana ny asany? Tsy hanao izany velively ny kaominina, hoy ny Ben’ny tanàna. Nosoritany fa ny tanjon’ny tanàna, dia ny hananana mpitatitra matihanina sy ara-dalàna, manana fitaovam-pitaterana mahafa-po sy miantoka ny filaminan-tsain’ny mpanjifa, fitaterana lavitry ny loza. Noho izany, manohana sy manampy ary mitsinjo mandrakariva ireo mpitatitra matihanina sy ara-dalàna ny CUA na fiarakaretsaka io, na taksibe, na fiara mpitatitra entana, ka mahaloa ara-dalàna ny hetra sy manana antontan-taratasy ilaina amin’ny fitaterana.
FANATSARANA FA TSY FAMOTEHANA
Manampy ny mpitatitra hanafoana ireo mpangalatra misehatra amin’ny asa fitateram-bahoaka (clandestins) mamono ny mpitatitra matihanina sy ara-dalàna ny CUA. Resaka diso sy tsy marina ny naely, toy ny hoe: teboka104 no takiana, izay tsy misy sady diso tanteraka. Ny “elimination” na fanilihana ny 2CV sy ny 4L, na fiara antitra, fanafaran’ny CUA Fiara avy any ivelany, fampiakarana ny saran’ny fitsirihana (droit de contre visite),... Ny saram-pitsirihana teo Antsakaviro ihany no hampiharin’ny OMAVET eny Nanisana. Haingana sy tsara kosa ny tolotra satria ampy fitaovana ny OMAVET. Mbola azo hifampidinihana sy hifanakalozan-kevitra ny bokin’andraikitra (cahier de charges) mifehy ny fampiharana ara-teknika sy ara-tsosialy ny fifanarahana rehetra misy ankehitriny, hoy kosa ny CUA. Hisy ny karatra tsy azo atao hosoka (carte magnétique infalsifiable) homena ireo mahavita ny “visite de conformité” hijerena ny lentan’ny fiara, ary mijanona ho isaky ny efa-bolana ihany no anaovana izany. Miisa 7800 fiarakaretsaka eto an-drenivohitra. Misy ireo mpikambana ao amin’ny FTAR na ny Fikambanan’ny “Taxi” eto Antananarivo Renivohitra. Misy ny mpikambana ao amin’ny ASTAZON na ny “Association des Taxi Zone National”, misy no tsy mpikambana amin’ireo fikambanana ireo, izay samy tonga nanatrika ity fihaonambe tetsy Analakely satria tombontsoa iombonana no katsahina. Hisy kosa ny vaomiera hajoro isaky ny “secteur” miisa 33 eto Antananarivo Renivohitra, ho fanohizana sy fampiharana ny fanatsarana. Hijery ifotony eny amin’ny OMAVET mihitsy ireo vaomieran’asa hajoro ireo hahita ny lentan’ny asa. Atao ho hitan’ireo tsy maty mankasitraka kosa hoe inona no tombotsoa azo avy amin’ny OMAVET, hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Hitohy amin’ny sabotsy 28 oktobra amin’ny 3 ora tolakandro ny fihaonambe.
Nitabataba sy nanakorontana I Clémence Raharinirina sy ny namany sasany ao amin’ny Biraon’ny FTAR nandritra ity fihaonana ity, ka niezaka ny nitarika ny olona marobe hivoaka saingy tsy nisy mpanaraka. Nibaribary ny finiavana hitsivalam-pandry tsotr’iza, fa tsy mba vonon-kiresaka ary nivandravandra ny fanaovana mersenera politika. Nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fampandrosoana ataon’ny kaominina ry Clémence sy ny ekipany. Tsy adala anefa ny maro an’isa!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.