Fifamoivoizana

Kaominina Ankadimanga “Simba tanteraka ny lalana, ny fangatahana tsisy valiny”


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Simba tanteraka ny lalana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankadimanga, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Efa misy Fokontany mitoka-monina mihitsy

vokatr’izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana ao an-toerana nefa tena anisan’ny mpamatsy vokatra ireo karazana tsena eny Atsimondrano toy ny ao amin’ny Cite Itaosy, Andranonahoatra ary Ambohidrapeto. Tsy ny mponin’Itaosy ihany anefa no maty antoka vokatr’izany raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity hatrany fa lasibatra ihany koa ny mponin’Antananarivo renivohitra izay zatra miantsena ao amin’ny tsenan’Anosibe. Nomarihiny manokana moa fa mahatratra 6 km eo raha kely ny lalana tokony hamboarina ao Ankadimanga. Tsy maharaka izany anefa ny teti-bolan’ny kaominina raha mihainohaino tsy misy mamaly ihany koa ireo tompon’andraikitra. Efa tamin’ny taona 2020 raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana izy ireo no nanao fangatahana mifandraika amin’izany saingy tsy mbola misy valiny mandraka ankehitriny. Ankoatra ny haratsian-dalana moa dia fantatra fa mirongatra ihany koa ny hala-botry ao amin’ny kaominina Ankadimanga koa hanaovan’ny Ben’ny tanana antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Razafinanja, Ben'ny tananan'ny kaominina ambanivohitra Ankadimanga
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT