KAOMININA AMBAVAHADITOKANA

Mandeha ny fametrahana jiro sy ny fanamboaran-dalana


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Hazakazaka arahin-tosika ny asa fampandrosoana ny tanana ho an’ny kaominina Ambavahaditokana.

Lohalaharana amin’ireny ireo foto-drafitrasa tena mamaly ny filam-bahoaka amin’ny fiainana andavanandro toy ny lalana. Mirefy 5 km no efa vita raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis, famatsiam-bola avy amin’ny Agence Francaise de developpement. Na izany aza mbola nisy ihany koa ireo lalankely tsy vita ka novitain’ny kaominina tamin’ny volany madiodio izany izay mirefy 1km, miparitaka manerana ireo Fokontany miisa 6. Ny impot synthetique, ny droit d’enregistrement, ny IFPB na ny hetran-trano no nangonin’ny kaominina nanaovana izany lalana izany mba ho fanomezana fahafaham-po ny mponina. Ankoatra izay dia nanaovan’izy ireo ezaka ihany koa ny fametrahana jiro cobra miisa 30 hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tao anatin’ny 2 volana no nametrahana ireo tao anatin’ireo Fokontany miisa 6 ho fanampiana ireo zandary sy polisy manao ny ainy tsy ho zavatra manoloana ny asan’ireo tontakely sy tsy maty manota.
Pati
Legende : Anisan’ny lalana amboarina ao anatin’ny kaominina ny eto Antanjona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT