Kaominina Ambatomanoina

Mitoka-monina noho ny haratsin'ny lalana


  • Zoma 28 Febroary 2025

Tsy lavitra ny renivohitra satria mbola ato anatin'ny faritra Analamanga no misy ny kaominina Ambatomanoina,

ao anatin'ny distrika Anjozorobe. Efa am-polo taonany maro no mitoka-monina ity kaominina ity rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Tany amin'ny 2 taona lasa anefa dia mbola azo lazaina ho azo aleha ihany io lalana io ary mbola azon'ny fiarabe izorana ihany raha mbola mirotsaka in-droa na in-telo ny orana. Tao anatin'ny 2 taona farany anefa, simba tanteraka ny lalana ka raha vao mirotsa indray mandeha monja ny orana dia efa tsy azo aleha intsony. Hatramin'ny fiandohan'ny volana febroary izao dia tsy afaka miasa intsony ireo fiarabe mpitatitra olona mampifandray an'Antananarivo sy Ambatomanoina. Mbola tsy azo heverina mihitsy, hoy ireo mpamily ireo fiara be ny hiverenan'ny fampiasana io lalana io ami'izao toe-trandro izao satria potika tanterana ny lalana ,tsy misy ampahany azo ampiasaina intsony. Tao anatin'ny andro vitsy tsy nisian'ny orana izao dia ireo "camion double pont" mpitondra entana ihany no nanadrana nandeha. Kaominina isan'ny mamokatra ato anatin'ny faritra Analamanga Ambatomanoina kanefa manahirana ny famoahambokatra noho io haratsian'ny lalana io. Isan'ny mampalaza azy ny Mangahazomaina,tsaramaso ,tongolo sy ny maro hafa. Na amin'ny fotoan'ny maintany aza mantsy dia tsy afaky ny fiara madinina ny lalana ha tsimaintsy ny camion ihany no miaza. Tsy mifanaraka loatra amin'ny halavirana ihany koa ny saran-dalana satria tsy ampy 100 km akory kanefa dia mandoha 20 000 ar ny olona iray.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT