Fifamoivoizana

Kaominina Alasora Voafaritra mazava ny saran-dalana, tsy misy intsony ny fanararaotana


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Efa voafaritra mazava ny saran-dalana miazo ny kaominina Alasora manomboka izao. Tsy misy intsony ny irika hahafahan’ireo mpitatitra mampiakatra izany indrindra fa rehefa tratra hariva ireo mpanjifa.

Nandritra ny fivoriana fandaminana notarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany. Na izany aza vitsy dia vitsy ireo olona tonga nivory. Saika voasolo tena avokoa kosa anefa ireo Fokontany manana olana amin’ny fitaterana rehetra. Ho an’ny Zotra F miainga eny amin’ny Cnaps ary dia fantatra fa 1.000 Ar ny saran-dalana miazo an’Ambohimarina ao anatin’ny kaominina Alasora. 700 Ar kosa ny miainga eo amin’ny Cnaps miazo an’Alasora, 600 Ar ny miainga eo Ambohimanandraisoa miazo an’ny Cnaps raha 700 Ar ny mampitohy an’Ambodivondava miazo an’ny Cnaps. 600 Ar daholo kosa ny tapa-dalana rehetra. Ho an’ny zotra I indray dia 1000 Ar ny mampitohy an’Ambohijatovo amin’Ambohitanety, 700 Ar ny mampitohy an’Ambohijatovo amin’Alasora raha 600 Ar ny miainga Ambohijatovo miazo an’Ambohimanandraisoa. Tsy tonga nivory moa ny zotra KOMI . Raha araka ny fantatra hatrany dia mbola hisy ny fivoriana hiarahana amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety hahafahana mandamina ny momba ireo Fokontany manana olana amin’ny fitaterana mialohan’ny fidiran’ny mpianatra ka anisan’ireny ny Fokontany Miadana.
Pati
Legende : Nandritra ny fivoriana notanterahina tamin’ny Sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT