Fifamoivoizana

KAOMININA ALASORA Hampiditra zotra vaovao maromaro


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Tsy maharaka ireo mponina ao Alasora sy ireo mila raharaha ao an-toerana ireo taxibe efa misy sy miasa eny amin’iny faritra iny amin’izao fotoana izao.

Isan-taona mantsy dia misy mpifindra monina vaovao hatrany ao amin’ity kaominina ity hoy ny Ben’ny tanana hany ka mitombo hatrany ny isan’ny mponina. Mba hahafahana mamaha io olana goavana io ary dia fantatra fa hampiditra zotra vaovao ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Anisan’ireny ny zotra G izay hampitohy an’Alatsinainy sy Itaosy Atsimondrano. Toraka izany koa ny mampitohy an’Ambohimarina sy Anosibe ho fanalana fahasahiranana ireo mpiantsena. Ankoatra izay dia hiditra hitatitra ireo mponina ao Alasora ihany koa ny zotra H izay hamakivaky iny toerana misy ny mompera Pedro eny Ambohimangakely iny sy ny manodidina azy. Toraka izany koa ny zotra I hiazo an’Anosy ankoatra ireo efa misy ao an-toerana izay miainga eny Ambohijatovo. Hisy araka izany ny andrana hotanterahina mialohan’ny fidiran’ny mpianatra raha anio Alakamisy kosa no hanaovana ny fidinana ifotony izay hiarahana amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny fivondronan’ireo mpitatitra ivelan’Antananarivo na ny UCTS. Nisy omaly ny fivoriana niarahan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ireo mpanolon-tsaina niaraka tamin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ho fanatontosana izany.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT