Fifamoivoizana

Kaominin'i Moramanga Jerem-potsiny ny faharotehan'ny lalana


  • Zoma 15 Jolay 2022

Tsy hoe potika fotsiny fa tena azo lazaina hoe rotika mihitsy ankehitriny ny lalana ao Moramanga sy ireo mampifandray azy amin'ireo faritra manodidina.

Tsikaritra ho tazanim-potsiny anefa hatreto izany faharotehan'ny lalana izany. Moramanga izay ambara matetika fa fisasahan'Antananarivo sy Toamasina. Kaominina nanamarika ny tantaram-pirenena ihany koa satria voalaza ho ivon'ny tolom-piavotana nanoherana ny mpanjanatany ny 29 martsa 1947. Misy voalaza ho mahery fo tamin'ny fotoan'andro milevina ao. Toy ny faralahy amin'ireo kaominina hafa rehetra anefa i Moramanga satria isan'ireo kaominina tokony namerenana fifidianana ben'ny tanana farany teo izy saingy mbola tsy tontosa hatramin'izao izay famerenana fifidianana izay. Mbola tsy manana ben'ny tanana, araka izany, i Moramanga hatramin'izao. Araka ny fitarainana voaray tamin'ireo mponina any an-toerana ihany koa dia miha ratsy endrika hatrany koa ankehitriny ny tena vao vita tao anatin'ny fitondrana Rajaonarimampianina ao an-toerana noho ny tsy fisian'ny fikarakarana satria, araka ny Volambita teo, dia na ben'ny tanana aza tsy ananan'izy ireo intsony.
J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT