Kamio nianjera tany anaty rano

Lehilahy iray no maty tany Anjozorobe


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Tsy mety tonga saina ny amin’ny voka-dratsy ateraky ny tsy fikarakarana ireo fotodrafitrasa efa simba eto amintsika

ny Fitondram-panjakana na dia efa namoizana ain’olona aza izany. Ho an’ilay kamio nitondra akondro nifaoka sprinter avy any Mahajanga ohatra dia tetezana tsy nisy arofanina no nifanenan’izy ireo ka Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy vokatry ny loza nitranga. Nipitika ilay sprinter ka tafavoaka teny ivelany nandritra izany Itompokolahy. Vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo indray dia fiara iray avy any atsimo no niantona teo amin’ny tetezana iray tsy nisy arofanina tao Ambatolampy, tranga mbola mitohy hatramin’ny omaly. Kamiao lehibe iray ihany koa mantsy no nianjera tany anaty rano tao Ambohimandroso Avaratra, disitrikan'Anjozorobe izay mbola vokatry ny tsy fisian’ny arofanina ihany. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Nilon-drano saika tsy avotra kosa ny mpamily sy ireo olona tao anatiny vokatry ny hamaroan’ny rano tao anatin’ilay fiara.
Pati
Legende: Ity ilay kamiao nifatratra tao anaty rano !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT