Kamio nanitsy tamina fivarotana

Olona iray maty tsy tra-drano teny amin’ny RN 7


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny RN7,

anelanelan'i Tsinjony sy Ambalavao lalam-pirenena ny alin’ny sabotsy teo. ‎Araky ny sary navoakan’ny nanatri-maso, nanitsy teo amin'ny trano fivarotana iray ny fiara lehibe mpitondra entana ity. Olona iray no maty tsy tra-drano, voahitsaka tao ambanin’ny kodiarana lehibe. Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay antony nahatonga ny loza fa ny mpamily sy ny mpanampy azy efa samy tsy hita teo an-toerana, hoy ny fanamarihana. Betsaka ireo lozam-pifampovoizana mahatsiravina, ary mateti-pitranga. Eo ny mety ho avy amin’ny olana teknikan’ny fiara, eo ny tsy fahafehezana na tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Entanina ho mailo sy hitandrina ny rehetra !
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT