Kamio nandona fiara 4 teny Ankorondrano

Nitambotsitra teo am-pamiliana ny mpamily ?


  • Talata 15 Oktobra 2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tsy nampoizina teny amin’ny Rond point anoloan’ny EPP Ankorondrano omaly

tokony ho tamin’ny 5 ora ariva. Kamio lehibe iray no nanivatsiva nandona fiara 4 samihafa izay nisy fahasimbana avokoa. Nifamohafo tanteraka ny vaovao satria niely fa fa nitambostitra teo ambony familiana ny mpamily, ka izay no nahavoahitsiaka tsy tàna ny « accélérateur » noho nitolefika. Nisy ihany koa anefa ny filazana fa tapaka hisatra. Tsy fahasalamana tampoka no nahazo azy, ary nisy mihitsa aza ny filazana fa namoy ny ainy rehefa nentina teny amin’ny hopitaly, saingy tsy ofisialy io. Tsy mbola voamarina hatreto ny aretina nahatonga ilay mpamily nitambotsitra sy ny filazana azy ho namoy ny ainy satria voalaza fa nentina natao fanadihadiana teny amin’ny mpitandro ny filaminana izy. Avy eny Ambohitrarahaba hihazo an' Andavamamba hanatitra hazo ity kamiao ity no nitranga ny loza. Fiara efatra no voadonan'ilay kamiao, simba avokoa ny fiara, 2 tamin'ireo an' olo-tsotra ny 2 hafa ana orinasa. Tonga nanao fanadiadiana ny « Brigade des accidents » avy amin'ny polisim-pirenena ka andrasana ny akony !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT