Kamio mpitondra soliky ny Jirama nivadika

Voahenlingelina ora maro ny RN2 omaly


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Omaly tokony ho tany amin’ny 5 ora hariva tany vao nisokatra tanteraka ny

lalam-pirenena faha-2 eo Ambodiriana, Brickaville nitrangan'ny lozam-piarakodia nampivadika kamiao mpitondra soliky ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA. Ny talata teo, tokony ho tamin'ny 8 ora alina no nivadika, noho ny haratsian-dalana io fiarabe io, raha ny tsiahim-baovao voaray. Kamiao mitondra soliky ny Jirama avy any Toamasina hihazo an'Antananarivo izy ity. Ny taksibrosy sy ny fiara madinika afaka nandeha fa ireo fiara vaventy no voatery nikatso teo. Efa miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizana ho an'ny rehetra ankehitriny, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT