Averina tsikelikely amin’ny fiainana andavandro ny olona. Ny kamio rehetra eto Antananarivo tsy hoe rehefa te handeha dia mandeha, fa ireo mitondra ireo filan’ny olombelona, toy ny PPN, ny rano, solika,…
hoy ny mpandrindra ankampobeny ny CCO Covid-19 jeneraly Elac Olivier. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy arindra ireo. Natao manomboka amin’ny 3ora hatramin’ny 11ora alina ny fivezivezen’ireo. Amin’ny 9 alina dia miditra amin’ny “couvre-feu”, saingy nomena tombony izy ireo noho izy mitondra ireo filàna. Tsy misy afa-mihetsika vao dilan’ny amin’ny 11ora alina. Ny Filohan’ny CCO Covid-19 dia ny minisitry ny atitany, dia efa nilaza tany aloha, fa malalaka ny fiara mitondra entana, saingy misy zavatra miova izany ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.