Fifamoivoizana

Kamiao sy lamasinina nifandona tao carion Hadihadiana anio ny mpamilin’ilay kamiao


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany Carion afak’omaly hariva. Kamiao mpitatitra vokatra izay ana mpivarotra iray no nifandona tamin’ny lamasinina.

Tsy lavitra ny biraon’ny zandarimaria no nisehoan’izany saingy tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Samy simba kosa na ilay fiara na ilay lamasinina. Samy tonga nijery ny zava-misy moa ny zandary sy ny polisin’ny gara avy amin’ny kaomisaria voatokana. Raha araka ny fantatra moa dia nitondra “citerne” foana ilay lamasinina ary avy aty Antananarivo handeha haka solika any Toamasina no tena anton-diany. Nony tonga teo Carion, anefa izy dia nisy an’io kamiao io nanapaka lalam-by io na dia efa nampanenoina aza ny anjomara. Nalain’ny zandary moa ny taratasin’ilay kamiao raha anio Alatsinainy kosa no hampanantsoina hatao fanadihadiana izy.Tsiahivina fa voasazy mandoa 7000 ariary eo ho eo isa-minitra, arakaraka ny fotoana lany nijanonan’ilay lamasinina, ny mpamilin’ny kamiao, raha toa ka voamarina fa diso ka any amin’ilay orinasa miandraikitra ny lamasinina io saran-tsazy io no aloha.
Nangonin’i Pati
 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT