KAMIAO NIVADIKA TAO ANDATABO

Olona iray namoy ny ainy, 10 naratra mafy


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly Alahady 03 Novambra maraina tany amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy.

Kamiao iray avy any amin’ny distrikan’i Beroroha no nivadika tao Andatabo tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany maraina. Nitondra mpandeha maromaro io kamiao io noho ny tsy fisian’ny fiara fitateram-bahoaka. Vokany, olona miisa 10 no naratra mafy raha iray kosa no namoy ny ainy. Efa naiditra avy hatrany amin’ny hopitaliben’i Toliara moa izy ireo ka efa saika nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ny ankamaroany. Miandry ny fianakaviany haka azy kosa ny razana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Vokatry ny olana ara-teknika nahazo ilay kamiao moa no voalaza fa antony niteraka ny loza. Efa notanana natao famotorana kosa ilay mpamily.
Pati
Legende : Ireo mpandeha naratra efa manaraka fitsaboana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT