KAMIAO NIPOTSAKA TSINDRY HISATRA

Mpianatra roalahy teo ambony moto maty voafaoka


  • Talata 03 Desambra 2024

Nitrangana loza mahatsiravina tao Ankazondrano Fianarantsoa omaly Alatsinainy 02 Novambra

tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany folakandro. Kamiao iray no nipotsaka tsindry hisatra avy any Andohan’Ivory ka namantana avy hatrany teny Ankazondrano. Moto sy fiara maro no voafaoka raha ny loharanom-baovao toy ny taxibe Sprinter…Mpianatra roalahy kely iraitampo teny ambony moto saika haterina hianatra no maty tsy tsa-drano vokatr’izany raha naratra mafy kosa ny Rain’izy ireo. Raha ny fantatra dia manodidina ny 11 taona eo ho eo izy roalahy ary voalaza ho kambana ihany koa izay tsy nanampo na inona na inona nefa nopaohan-drafahafatesana teny am-panidinana tampoka. Efa notanana vonjimaika eny anivon’ny mpitandro ny filaminana moa ilay mpamily hoy ny vaovao raha manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly kosa ny Rain’izy ireo.
Pati
Legende : Ireto nafatratra anaty kamiao ireto ny razana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT