Kamiao nifandona Lehilahy 2 no naratra

Fiara be, kamiao miisa roa no nifandona ny alakamisy teo, teo Ambatoety,


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Imerintsiatosika, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.

Nandeha mafy ilay iray hihazo an'i Tsiroanomandidy, hoy ny fanazavana. Tsy nahatazona familiana ilay nitondra ka tafavoaka ny lalany ary nidona tamin'ilay iray hifanena taminy. Tsy nisy ny aina nafoy fa lehilahy miisa 2 no naratra, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Azo lazaina ho lalana ahitana matetika fiara mifamezivezy moa iny Imerintsiatosika sy ny manodidina azy iny. Mbola eo am-panarenana rahateo ny ankamaroan’ireo lalana mihazo ny ati-tanàna, raha ny fanazavana voaray farany tamin’ny tomponandraikitra. Na izany na tsy izany, na lalana dratsy, na lalana tsara, eny, na faran’izay tsara aza, dia heverina hatrany fa zava-dehibe amin’ny fifehezana ny fifamoivoizana rehefa mitondra fiara na fitaovam-pitaterana hafa ny fahaiza-mandanja io resaka hafainganam-pandeha io, raha tsy dia sanatria efa hoe hamono tena mihitsy angamba no tanjona. Raha hamonjy zava-dehibe hafa na fotoana na olona no antony andehanana mafy ka tratry ny tahaka izao na sanatria maty mihitsy moa dia efa iaraha-mahalala fa tsy vitan’ny hoe fatiantoka fotsiny no anarany fa zava-poana ambonin’ny zava-poana mihitsy. Asakasak’ireo izay mbola hitrifana rehefa mitondra fitaovam-pitaterana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT