KAMIAO NANDONA MOTO

Zaza iray no naty tsy tra-drano teny Talata Vonolondry


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray

omaly Alarobia 17 Septambra folakandro teny Talata Volonondry, distrikan'Avaradrano. Kamiao lehibe iray voalaza fa tapaka tsindry hisatra no nandona mpitondra moto. Nitondra olona miisa 3 anefa ity kodiaran-droa ity. Zaza iray tamin'ireo olona 3 ireo no namoy ny ainy vokatr'izany. Noho ny dona mafy nahazo ilay zaza no voalaza fa tsy zakany, antony namoizany ny ain-dehibe. Mila malina tanteraka ireo moto mitondra zaza sy ankizy mpianatra noho izany hisorohana ny loza tahaka izao. Tokony hojerena akaiky ihany koa ny mombamomba ireny fiara lehibe ireny sao tsy misy manao visite akory ka mamono olona tsy fidiny tahaka izao. Lahitokana mantsy ny ainy ka tsy azo averina intsony raha mbola azo amboarina ny fiara.
Pati
Légende : Tahaka izao no fitrangan'ny loza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT