KAMIAO MPITATITRAENTANA NIVADIKA

Olona tsy latsaky ny 05 no namoy ny ainy


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany Toliara, afak’omaly Sabotsy 25 May maraina.

Raha ny loharanom-baovao azo dia kamiao iray lehibe mpitatitr’entana no nivadika tao Akatsakareo, anelanelan’i Beraketa sy Anivorano Mitsinjo.Olona tsy latsaky ny 05 no voalaza fa namoy ny ainy. Raha ny fantatra dia voatsindrin'ny entana no anton'ny nahafaty azy ireo. Tao aoriana avokoa mantsy izy ireo no nipetraka hoy ny vaovao. Noho ny haratsian-dalana sy ny entana mihoa-danja tsy zakan’ny ain’ilay kamiao intsony anefa dia nivadika izy. Raha araka ny vaovao hatrany moa dia efa antitra ity fiara mpitatitr’entana nivadika ity. Tsy fantatra intsony araka izany na ara-dalana na tsia ny antontan-taratasiny mikasika ny fanaovana fitiliana ara-teknika… antony miteraka ny 80%-n’ny lozam-pifamoivoizana hamoizana aina tahaka izao. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba hanara-maso ireny fiara efa tranainy ireny nefa misehatra amin’ny fitateran’entana ary mangalatra mitondra olona. Efa notazonin’ny mpitandro ny filaminana hatao fanadihadiana moa ilay mpamily ka hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha.
Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay kamiao mpitatitra entana nivadika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT