Fifamoivoizana

Kalitaon’ny làlana Faha-36 amin’ny firenena 38 i Madagasikara


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Eo amin'ny laharana raha faha-36 amin'ny firenena 38 eto Afrika nanaovan’ny Agence EcoFin eto Afrika i Madagasikara raha ny hatsaran'ny lalana no jerena.

 

 

 

Namibie, Egypte, Rwanda, Maurice, ary Maroc no dimy voalohany ao anatiny filaharana, ary raha avy any aoriana any amin’ny rambony kosa kosa dia i Tchad, Mauritanie, Madagasikara, RD Congo, ary Angola. Isan’ny nanenjehana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nivoy ny fanamboaran-dàlana, ary tao anatin’ny bileta sy ny sary famantarana ny antoko TIM aza dia nasiana hoe: “Amboarina ny làlana eto Madagasikara” nahavitany 10 000 km latsaka kely, kanefa novoizin’ny mpanenjika azy ny hoe: “làlana angaha azo hoanina”. Rehefa tonga ny fanjakana tetezamita, dia tsy nisy fikojakojana fa niha potika. Taty amin’ny fanjakana Rajaonarimampianina, vao nisy ny fanamboarana sy fikojakojana, izay nisy aza no ny asa toa noezahin’ny fanjakana ankehitriny ho amin’ny anarany, kanefa ao anatin’ny fitohizan’ny raharaham-panjakana. Ankehitriny anefa, dia voizina ihany ankehitriny ny fanamboaran-dàlana, izay isan’ny nibahan-toerana tao anatin’ilay “Plan marshal” 1043 miliara noresahan’ny Filoha. Nomena toromarika hanao làlana rarivato 5km isan-taona farafahakeliny ny governora. Midika fa tara am-polo taonany isika, saingy aleo tara toy izay tsy misy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT