Mitohy hatrany ny tsy refesi-mandidy ataon’ny mpitatitra sy ny mpanampy azy eo anivon’ireo zotra mampifandray eto Antananarivo Renivohitra.
Vao mainka niharatsy ny tolotra sy ny kalitao omen’izy ireo ny mpanjifa, na dia eo aza ny fampakarana ny saran-dalana. Mitohy hatrany ny tsy fanajana ny mpandeha, fihodinana an-dalana, famindrana mpandeha, tapa-dalana 500 Ariary na dia fiantsonana iray aza. Tsy misy intsony ny fanajana bokin’andraikitra. Tsy hita anefa izay andraikitra raisin`ny minisiteran`ny fitaterana sy ny kaominina ary ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ka miaritra ny zava-misy ny olona. Misy ny lalàna mahakasika io tsy fanajana bokin`andraikitra io. Raha tratra nandika lalàna ny fiara fitaterana iray dia giazana avy hatrany ny fiara mandritra ny 10 andro sady mandoa lamandy 60 000 Ariary hatramin’ny 65 000 Ariary. Adinon`ireo mpitatitra tokoa ve fa fiara fitateram-bahoaka izy ireo ? Ahoana tokoa ny fampakarana ny kalitaon`ny fitaterana eto amintsika ary ny ahazoan’ny mpitatitra sy ny mpanampy azy traikefa sy fahaiza-manao ? Tafiditra ao anatin’izay ny kalitao, ny aro loza amin’ny fifamoivoizana, ny tokony ho fantatry ny mpandeha sy ny fanajana ny ora fiaingana. Ilaina ny fanatsarana mba hiantraika mivantana any amin’ny mpanjifa. Efa miaina anaty gaboraraka Antananarivo ary tafiditra ao ny fifamoivoizana. Tsy hasian-dresaka intsony ny fitohanana lavareny sy ny hamaroan`ireo posy sy sarety izay mameno tanàna ary manohintohina ny fifamoivoizana. Mbola misy lalàna ve eto sa samy manao izay saim-pantany ny rehetra ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.