Fifamoivoizana

JMJ MADA 2022 Mpizaika 10 no tra-doza


  • Talata 30 Aogositra 2022

Mpizaika miisa 10 hamonjy ilay JMJ andiany fahafolo sahady no tra-doza omaly alatsinainy raha nanainga tany Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro, hiazo an’Antsirabe.

Raha araka ny vaovao azo dia tao Ambohitovolahy Manaka-Ouest no tra-doza ny fiara sprinter nitondra azy ireo. Vaky ny kodiarana avy aoriana , antony nampivadika ilay fiara. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Naratra mafy kosa ireo mpizaika miisa 10 ary efa noraisina an-tanana ao amin'ny CHRR Ambatondrazaka.Tsiahivina hatrany moa fa vao tamin’ny Sabotsy teo ihany koa no nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka. Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ireo naratra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay fiara tra-doza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT