Fifamoivoizana

Jerry Rakotoarijaona « Tsy Wifi no olanay amin’ny taxibe »


  • Zoma 09 Aprily 2021

Mankasitraka ny ben’ny tanànan’Antananarivo fa mihevitra sy mitady izay handrosoan'Antananarivo

 

 

 sy hitoviany amin'ireo tanàn-dehibe hafa tokoa, hoy ny filohan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso, Jerry Rakotoarijaona, naneho ny heviny mikasika ny fampahanfatarana ny tetikasa « Bus Class» omaly. Tsy Wifi anefa no olanay amin'ny taxibe ary tsy TV ihany koa, hoy izy. Manary an-dalana ny taxibe, misivana mpandeha ny taxibe,tsy manaja mpandeha ny mpamily sy ny mpanampy azy, ny fiara sasany tsy mendrika ny hiasa eto Antananarivo Renivohitra intsony. Taxibe iray manana lalana maromaro ka izay azahoany tombony kokoa no handehanany indrindra rehefa amin'ny ora tena ilana azy. "Vodihazo" na mijanona elabe anaty “arrêt” iray ny taxibe.Entin'ny “receveur” daholo na olona mihoso-menaka sy mihosona “charbon” aza . Santionany amin'ny fampijaliana ataon'ny taxibe sy tsy fisian'ny "fenitra" amin'ny sasany ireo ary tena iray na roa amin'ireo ihany no ho voavahan'ity "Bus Class" ity. Efa hatramin'ny nitenenan'ny HVM sy ny Fanjakana Hery Rajaonarimampianina fa hanao ny "Bus Intelligent" izy no niresaka aho fa ny fanovana ny rafitra hitantanana io fitanterana an-drenivohitra io no vahaolana kokoa. Tena mandeha taxibe tsy latsakin'ny in-4 isanandro aho ary mahita izany. Inoana fa fanombohana ihany izao ary isaorana fa mbola manantena ilay vahaolana kokoa, hoy hatrany ny filohan’ny VAR.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT