Jeneraly Ravalomanana Richard

« Avereno amin’ny hajany ny sekolim-panjakana »


  • Alakamisy 20 Febroary 2025

Anisan’ireo olona novolavolaina sy nobeazina tao amin’ny Lisea Maoderina Ampefiloha

na ny LMA ny Filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny ny Jeneraly Misotro ronono Richard Ravalomanana. Izy no Ray mpiahy ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny LMA izay nosokafana ofisialy omaly 19 febroary, raha ny 31 mey no ivony. Anisan’ny hetsika hanamarihana ity fankalazana ity ny fananganana tsangambato, ka isan’izany ny fanamboarana lava-drano ho fanatsarana ny fotodrafitrasa eo anivon’ny sekoly. Mitana fahatsiarovana lehibe ho ahy ny Lycée Moderne Ampefiloha, hoy izy. Maro, hoy ity Filohana andrim-panjakana ity, ireo nanovo fahalalana tao amin’ity sekoly ity ka nahatafita azy tamin’ny fiainana, ka mendrika ny hireharehana izany. Na izany aza, ankehitriny dia vitsy sisa ireo mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana mahavita miatrika fifaninanana sy misongadina amin’ny sehatra samihafa. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny Jeneraly Ravalomanana Richard hoe: "Avereno amin’ny hajany ny sekolim-panjakana!". Zava-dehibe izany, ary iombonan’ny rehetra hevitra fa mila hajany ny sekolim-panjakana izay mamolavola ny zana-bahoaka. Tena manome hasina sy mametraka amin’ny toerana tokony ho izy ny fampianarana eto ve anefa ny Fanjakana. Ny tambin-karaman’ny mpampianatra ohatra dia 17000 hatramin’ny 21000Ar raha misy mahatratra am-polony tapitrisa ireo tombotsoa sy tambin-karama sitrahan’ny mpitondra ambony. Ny mpitondra ambony tsy dia tia mampiana-janaka eto ary rehareha ohatra ny mampiana-janaka amin’ny sarany manodidina 153 682 € na 703 tapitrisa Ar ny saram-pianarana mandritry ny 4 taona (année préparatoire, 1-3 année) any Suisse fa ny zanaka Malagasy ambanin-javatra. Manan-jo izay manana fahafahana rehetra fa kosa tsy tokony havela ho potika ny eto, ary ny mpitondra dia tokony ho lohalaharana sy fitaratra amin’ny fanomezana hasina sy fahatokisana ny fanabeazana eto Madagasikara fa tsy hanao valalan’amboa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT