Fifamoivoizana

Ivandry Vaky ny lohan'ilay mpitondra moto


  • Alarobia 01 Jona 2022

Namono olona indray ny kodiaran-droa na ny moto omaly hariva tetsy Ivandry. Raim-pianakaviana iray tombanana handeha hamonjy fodiana no nifandona tamin'ireny fiarabe mpitatitra mpiasa handeha hody ireny ny moto nentiny.

Tsy lavitra ny sekoly tsy miankina la claire fontaine no nitrangan'ny loza. Raha araka ny fantatra dia tafatsofoka tany ambany kodiarana ilay moto nentiny. Vaky vokatr'izany ilay aroloha nanaovany raha fisaka ihany koa ny lohany. Nifantsitsitra ny ra noho izany, tranga izay ilana fitandremana tokoa. Nifanena moa ity moto ity sy ilay fiara hoy ireo nanatri-maso. Efa maizina tamin'ny 07 ora hariva tany ho any moa no nitrangan'ny loza .
Nangonin'i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT