Fifamoivoizana

Imerintsiatosika-Anosy Lassa 3000 Ar ny saran-dalana tokony ho 1500 Ar


  • Talata 11 Aprily 2023

Saika nanararaotra avokoa omaly ireo taxibe rehetra niasa ivelan’ny renivohitra ka nandalo ireny toeram-pitsangatsanganana maro samihafa ireny.

Ho an’ireo niazo iny lalam-pirenena voalohany iny toy an’Ambatomirahavavy sy Imerintsiatosika ohatra dia tena nampikolay ny mpandeha tokoa ny nataon’izy ireny omaly. Nampiakarin’ny mpamily sy ny mpanampy azy ho avo roa heny amin’ny tokony ho izy mantsy ny saran-dalana, raha vantany vao nilatsaka ny ranon’orana omaly tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Lasa 3.000 Ar ny saran-dalana 1.500 Ar. Ankoatra izay dia mbola familafilana be ihany koa ny nahazo ireo mpandeha toy ny hoe : midina avy hatrany izay tsy mana-madinika, tsy tafiditra izay mirongo ankizy sy be entana…. Ho an’ireo tsy nanana fahafahana ny nandoa io saran-dalana io moa dia voatery nandeha dia an-tongotra avokoa izy ireny. Nanadala mafy rahateo ihany koa ny fitohanana teny amin’iny lalana mivoaka sy miditra ny lalam-pirenena voalohany iny omaly ka saika nitovy ihany ireo nandeha taxibe sy ireo nandeha dia an-tongotra. Natao adin’ny 4 ora teo ho eo Imerintsiatosika nivoaka an’Ampitatafika. Tsiahivina moa fa misy hatrany ny fanararaotana hataon’ny taxibe rehefa fety tahaka ireny ny andro. Tokony hisy hatrany araka izany ny arofanina apetraky ny tompon’andraikitra ho fiarovana ny mpanjifa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT