IFANADIANA-IKONGO

Tafakatra 3 hetsy Ar ny saran-dalan’ny Moto


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Tena mampiteny ny moana ny haratsian-dalana RN 14 A mampitohy ny distrikan’Ifanadiana sy Ikongo

amin’izao fotoana izao, raha araka ny vaovao azo. Na ireo fiara matanjaka toy ny 4x4 aza miala maina, antony tsy hisian’ny taxi-brousse mampitohy ireo faritra roa ireo intsony raha tsy indray mandeha isan-kerinandro ihany. Tafakatra 80.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray vokatr’izany raha 800 Ar ny mitondra ny entana iray kilao. Ho an’ny moto indray dia tafakatra 300.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray saingy na izany aza mbola maharitra ora 7 eo ho eo no hamitany ny lalana 95 Km. Adin’ny 10 kosa no hanaovan’ny fiara izany raha haingana indrindra. Mahatsiaro ho sahirana tanteraka ny mponina vokatr’izany. Manampy trotraka io tsy fahafahana mivezivezy firy intsony io ny fidangan’ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Tafakatra avo roa heny avokoa ny vidin’izany hoy ny vaovao ka mila tsy hihinan-kanina intsony ny mponina. Nomarihin’ireto farany moa fa efa maro ihany ny antso avo nataon’izy ireo tamin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony maro isan-tsokajiny sy ny Fitondram-panjakana saingy toy ny antso an’efitra daholo ihany izany ka miraviravy tanana tanteraka izy ireo.
Pati
Legende : Ratsibe tahaka izao ny lalam-pirenena RN 14 A!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT